Actualités

Herintaona nahafatesan’i Nadine Ramaroson Hisy filaharana “Fotsy” ao Toamasina


  • Talata 28 Aogositra 2012

Feno herintaona anio ny nahafaty ny minisitry ny mponina teo aloha, Rtoa Nadine Ramaroson, noho ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina raha niverina avy namonjy ny fetin’ny trozona tao Sainte Marie ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy.

 Ho fahatsiarovana izany dia hisy ny filaharana fitondrana fanamiana fotsy karakarain’ny talem-paritry ny mponina Toamasina sy ny fikambanana natsangana manohy ny asa sosialy nataon-dRtoa Nadine Ramaroson. Miainga eo amin’ny toerana malalaka manoloana ny gara “manguier” ny filaharana manomboka amin’ny 8ora maraina, hitety lalana maromaro ao tampon-tanànan’i Toamasina ary hifarana ao amin’ny kianja mitafon’i Soavita amin’ny 9ora sy sasany. Fotoam-bavaka manomboka amin’ny 10 ora tsy mifarana raha tsy amin’ny 12 ora no hokarakaraina mandritra ity fahatsiarovana ny minisitry ny mponina teo aloha ity, miaraka amin’ny fampisehoana ireo tantaram-piainany. Voalazan’ny vaovao fa mandritra io fotoam-bavaka fahatsiarovana an-dRtoa Nadine Ramaroson io, no hahafantarana ny fotoana hilazan’ny fianakaviana Ramaroson ny fotoana hilazan’izy ireo ny tsiambaratelon’ny nahafaty azy.

Hatramin’izao dia mihazona ny teniny hatrany ireto fianakaviana ireto fa tsy maty noho ny loza ny havany sy ny zanany ity, fa niniana novonoina noho ny tsiambaratelo maro fantany mikasika ny bizina sy trafika ataon’ireo olom-panjakana tetezamita. Ankoatra izay, fantatra izao fa efa nahazo famotsorana vonjimaika (LP) ireo olona roa, dia ny “pilote” an’ilay vedety sy ny “bosco”-ny, raha nohazonin’ny fitsarana am-ponja vonjimaika ny faramparan’ny taona lasa iny. “Namono tamin’ny fihetsika niniana natao sy efa nomanina mialoha ary firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana ny minisitra Nadine Ramaroson” no hanenjehana azy ireo. Hatreto dia manda ny fiampangana azy izy mirahalahy ireto, izay mbola hamafisin’ireo mpahay momba ny fitaterana an-dranomasina ihany koa, fa tena loza tsotra izao tsy misy endrika famonoan’olona iny nitranga herintaona lasa tao Soanierana Ivongo iny. Anisan’ny hotsarovana amin’izao lanonana izao koa, ireo mpiara-miasa 4 hafa niara-dia taminy, dia mpanao gazety Rasoamiaramanana Andrianjafison Heriniaina, ny « chargé de mission » Voahanginirina Aimée Frédine, ny kaporaly John, ny mpamily manokana ary ny mpiambina manokana iray hafa ihany koa. Teo koa anefa ireo efa-dahy tsy maty fo aman’aina nandritra iny loza iny, ka avotra soa aman-tsara kosa.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT