Actualités

Herinaratra isan-tokantrano


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Efa manana politika fanapariahana ny herinaratra isan-tokantrano i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hisitrahan’ny 70%n’ny tokantrano Malagasy herinaratra amin’ny taona 2030 ka angovo azo havaozina ny 80% amin’izany.

Delestazy 

Antony hafa fa tsy delestazy intsony ny fahatapahan’ny herinaratra ankehitriny, hoy ny tale jeneralin’ny Jirama. Efa manatombo mantsy ny ambim-bava mihoatra amin’ny filàna, araka ny fanazavany. Mahatratra 245Mw izany raha 210Mw kosa ny filàna. Ny fianjeran’ireo andrin-jiro no ambarany fa anisan’ny antony mbola mampisy ny delestazy eto Antananarivo.

Rova Manjakamiadana 

Homarihana ny 6 novambra 2015 ny faha-20 taona nahamay ny Lapan’i Manjakamiadana. Fanomezana avy amin’ny Repoblika Federalin’i Alemana hoan’ny vahoaka Malagasy ny fampisehoan’ny mpaka sary matihanina vahinin’ity firenena ity ny sarin’ireo vakoka hita tao amin’ny Rova nanomboka tamin’ny taona 1989 hatramin’ny 1994.

Nahitana fiara kely simba vokatry ny fidonana tamin’ny vy teny Isoraka hidina ho any Anosy omaly. Raha tsy nisy ilay vy dia nivarina tany amin’ny ranon’Anosy ilay fiara. Fiaraben’ny orinasa lehibe iray koa no nidona tamin’ny andrin-jiro namboarin’ny sinoa teny amin’ny digy Ampasika omaly maraina ihany.

 Soanierana

Ny hariva tokony ho tamin’ny 6ora latsaka dia taksibe 113 indray no nirehitra teny Soanierana ampitan’ny jovena. Nalaky voavonjy  ny afo ka tsy naninona ilay fiara ary tsy nisy naratra na maty.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT