Actualités

Herinandron’ny Vondrona Eoropeanina Anisan’ireo nandray anjara ny Hafari Malagasy


  • Talata 12 Mey 2015


 

Tao anatin’ny herinandron’ny Vondrona Eoropeanina dia nanokanan’izy ireo andro manokana ny sabotsy teo ny fiarahamonim-pirenena notsongain’izy ireo manokana mba hampiranty sy hampahafantatra ny olona tsy an-kanavaka ny mikasika azy ireo. Anisan’ireo voafidy hampiranty momba azy tamin’izany ny Hafari Malagasy ka nahazo tranoheva manokana tetsy amin’ny Lagara Soarano. Ankoatra ny fampahafantarana manontolo ny momba azy dia nohararaotin’ity fiarahamonim-pirenena iray ity ny nampiseho ho fanta-bahoaka ny zava-bitan’izy ireo tao anatin’izay 5 taona niorenany izay ka nampisehoan-dry zareo tao anatin’ny mangarahara ny boky fitantanam-bolan-dry zareo ka nahafantarana fa tsy nahazo fanampiana avy taiza na taiza afa-tsy 3,5 tapitrisa Ar avy amin-dry zareo Soisa izy ireo. Nasehon-dry zareo ho fanta-bahoaka koa ireo trangam-piarahamonina nahazoany fitarainana ka  nidirany an-tsehatra ary nitadiavam-bahaolana avokoa. Voavelabelatra tamin’ny antsipirihany koa tao ny amin’ny fivoaran’ilay tetikasa « Exode Urbain » tontosaina any Soaniedanana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT