Lanonana goavambe no nentina namaranana ny herinandron’ny kolontsaina kameroney andiany faha-17 notanterahina teny amin’ny Pic Vert Ambatobe, andro vitsy lasa izay.
Ny 21 janoary lasa teo no nanatanterahana ny lanonana izay nanasana vahiny sy olo-manankaja maro. Anisan’ny nahaliana ireo nasaina ireo karazana dihy sy fomba fitafy nanehoan’ireo tanora teratany kameroney ny kolontsaina mampiavaka ny firenena niavian’izy ireo. Anisan’ireny ny dihy narahina filatroana nandraisan’ireo tovovavy sy tovolahy anjara, fomba amam-panao izay fantatra fa anisan’ny tranainy indrindra ho azy ireo, ny dihy netim-paharazana. Toraka izany koa ny resaka sakafo izay nahitana nahandro manokana toy ny trondro, ny akoho. Tsiahivina fa anisan’ny tena tanjona nokendrena tamin’izao herinandron’ny kolontsain’ireo teratany kameronina ireo izao ny hahafahana mampahafantatra sy mampiroborobo ny kolontsaina mampiavaka ity firenena iray ity ka anisan’ireny ny fivavahana. Maro ireo nanohana nampahomby ny hetsika toy ny orinasa Airtel Madagascar, ny orinasa Star, ny banky BFV SG…izay tena nanampy be dia be tokoa ny fikambanan’ireo mpianatra avy any Kameronina monina eto amintsika, tompon’antoka tamin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.