Actualités

Hentitra ny SMM “Tsy hilefitra intsony izahay”


  • Zoma 09 Jona 2017

Notsiahivin’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) nandritra ny fivahinianany tamina onjam-peo iray omaly fa ny praiminisitra no nanao fanambarana maneho fiarovana ny olona namoahana didy fanagadrana.

 

 Misy olona nanao fikomiana teny amin’ny Bianco fa tsy mba nisy filazan’ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza hoe tsy ekena ny fanaovana ireny zavatra ireny. Mila mitandrina ny senatera Riana Andriamandavy VII, hoy izy. Misy olona anefa mitaraina aminy fa iharan’ny fitazonana tsy ara-dalàna teny amin’ny Bianco satria efa mihoatra ny 48 ora no nitazonana azy dia nitaraina mafy, ka dia raikitra ny fanambarana nataon’ny minisitra ny 5 aprily fa mandika lalàna ny Bianco. Izahay mpitsara kosa mitaraina amin’ny asanay, ary hatramin’ny reniko any ambanivohitra aza rahonana ho faty hoe anaro sy zanakao fa rehefa tsy anarinao io dia hanarinay. “Maninona ny minisitra no tsy miteny manoloana izany kanefa izy no tokony hiaro ny mpitsara ?”, hoy i Faniry Ernaivo. Maninona ny filoham-pirenena no tsy miteny kanefa ny filoham-pirenena no voalazan’ny lalàmpanorenana fa izy no miantoka ny fahaleovantenan’ny fitsarana amin’ny maha filoha faratampon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara azy ? Manao fanambarana ny filoha sy ny filohan’ny antenimierandoholona hoe aleo hiasa ny fitsarana saingy taorian’izay dia iny ny senatera Riana Andriamandavy manakana mpitsara any amin’ny hopitaly. Teo ihany koa ny senatera Andrianjaka Goulzar mandrahona mpitsara, hoy kosa i Fanahimanana Tiaray, mpitondra tenin’ny SMM. Fanambarana fialana bala no atao fa tsy arahina asa, hoy izy.

 Nilaza moa izy fa vonona hifampiresaka amin’ny fitondram-panjakana saingy takian’ny SMM ny ampidirana am-ponja an’i Claudine Razaimamonjy. Efa tapitra mantsy ny fe-potoana ara-dalàna hahafahany mitsabo tena, ka na marary na tsia tsy hidiranay ny aretiny, hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny SMM. Mila hampanantsoin’ny fitsarana koa i Riana Andriamandavy VII mba hanaovana fanadihadiana sy fanenjehana ara-pitsarana. Mitory azy izahay ary tsy mbola nanatsoaka ny fitoriana ny SMM hatreto. Mila manao fifonana ampahibemaso koa  ireo senatera 2 sy depiote 1 sy ireo ben’ny tanàna 19 nanao fanangonan-tsonia mitaky hanalana mpitsara tany Ampanihy. Tsy hampiverina ny fahaleovantenan’ny fitsarana izany. Mampametra-panontaniana kosa hoe rehefa mpitsara ve dia sanatria alika fa rehefa depiote sy senatera dia olon-dehibe dia tena manan-kaja be ? Tsy mbola nisy mpitsara nanaratsy senatera na nanakana senatera sy depiote hiasa, fa maninona ny fitsarana no tohintohinina isan’andro ? Maninona ireo senatera ireo no tsy mandeha mitabataba any amin’ireo manana basy mba manakana ny asany hijerena azy raha tena mafy ny senatera fa any amin’ny mpitsara tsy manana basy ihany no tsy atahorana ? Rehefa mpitsara ve izany dia alika, ka azo atao ny manitsakitsaka azy amin’ny lohany sy atao “allez” sy ho torahim-bato isan’andro izao ? Manoloana izao toe-javatra mahazo ny mpitsara izao dia miantso ny mpitsara mba hiray hina hatrany ny Biraon’ny SMM. Hitohy amin’ny mafimafy kokoa ny tolona raha mbola mitohy ny antsojay, hoy hatrany izy ireo. Omaly dia nanao valandresaka ny avy eo amin’ny minisiteran’ny fitsarana saingy nandamin-dresaka sy niantso ny mpiraki-draharaha hiverina amin’ny asany, ary tsy nanisy resaka mihitsy ny momba ny fitakian’ny SMM.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT