Actualités

Hentitra ny SECES “Tsy misy mpitondra avela mitsoaka any ivelany”


  • Sabotsy 07 Aprily 2018

Nanatanteraka fivoriambe tao amin’ny efitrano Amphi 24 ao amin’ny FLSH Ankatso ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo ny alakamisy 5 aprily lasa teo.

Voaresaka tao ny mikasika ireo fitakiana ny fetr’ora iasana ho 125 ora sy ny tambin-karaman’ireo misotro ronono.Voalaza fa “tsy ho ela” araka ny vaovao azo avy amin’ny minisitera mpiahy ny tambin-karaman’ireo efa misotro ronono, kanefa mbola miasa. Navesatra sy tena vely kanota ho an’ny fitondrana kosa ny fanambarana momba ny raharaham-pirenena. Hita tamin’ireo karazana haino aman-jery fa tototry ny fahalovana, ny kolikoly ary ny fanamparam-pahefana mivantana ny fandaniana amboletra ny lalàna hifehy ny fifidianana tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny talata lasa teo, hoy ny SECES. Porofo izany fa efa manomboka sahady ny tsy filaminana mialoha ny fifidianana. Ahiana hopotehin’ireo olom-bitsy ny firenena sy ny vahoaka ao aminy, hoy hatrany izy ireo. Manainga ny vahoaka Malagasy, ary indrindra ny tafika mba samy handray ny andraikitra manandrify azy avy ka hiambina ny tanindrazana iombonana tsy hoviravirain’ireo olom-bitsy fahavalom-pirenena ity sendika ity. Tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izao tantara matroka eto amin’ny firenena izao ireo mpitondra tsy an-kanavaka, koa tsy misy tokony havela ho afa-mitsoaka any ivelany na iray aza, ary na inona na inona antony, hoy ny SECES.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT