Hentitra ny minisitry ny filaminana anatiny Radimbisoa Blaise Richard raha nitafa tamin’ireo polisy tao anatin’ny faritra Alaotra ny faran’ny herinandro teo.
Mila tsara fitondran-tena ny polisy hoy izy, miady amin’ny kolikoly ary manaja ny fitsipika mifehy. Na iza na iza dia ambanin’ny lalàna avokoa ka rehefa manao ny tsy mety dia hampiharina aminy ny lalàna. Voaresaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisitra sy ireo polisy any Alaotra ny momba fikarakarana ny tombontsoa tokony ho azon’ny polisy, indrindra ny mahakasika ny fiakarana grady. Nampanantena ny minisitra fa hoezahina mialoha ny taona 2017 ny fanatsarana ny marikaraman’ny polisy. Nomarihany fa ho fitaratra eo amin’ny fanajana ny lalàna ny polisim-pirenena ka raha toa misy polisy minia tsy manaja ny fenitra tiana hotratrarina dia hanarina, hoy izy ary aorian’izay dia hampiharina aminy ny sazy mifanandrify amin’ny hadalana vitany. Efa fandre matetika ihany ny fanambaran’ny tompon’andraikitra tahaka izao, saingy mahatsapa ny olon-tsotra fa maivana mba tsy ilazana hoe tsy misy ny fampiharana. Farany teo fotsiny, ohatra, dia very an-javona tsy nisy tohiny intsony ilay raharaha vola 2 baoritra tratra tao anatin’ny fiaran’ny depiote Lanto Rakotomanga. Raha mpandraharaha tsotra na olon-tsotra anefa no tratra ambodiomby tahaka ireny mety gadra any Tsiafahy avy hatrany.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.