Manondrana omby any Sina i Madagasikara. 1 000 000 Ariary ny hividianan’ny kelimaso ny ombin’ny Malagasy. Rehefa tonga any Sina anefa dia 600 000 Ariary ny kilaon’ny henan’omby. Raha atao hoe 500 kilao ny omby iray dia tafavoaka hatrany amin’ny 300 000 000 Ariary ny vidiny.
Efatra taona izay no lasa maka omby tsy tapaka aty Madagasikara ny Sinoa. Araka izany dia mahazo tombony tokoa izy sady tsy tapaka ny famatsiana. Ny olana dia mety ho lany ihany ny omby eto an-tanàna raha mitohy hatrany ny fanondranana. Manginy fotsiny izay efa alefan’ny dahalo any ambadika any izay tsy re sy tsy hitan’ny maso. Amin’izay fotoana izay dia ho tompony mangatak’atiny ny Malagasy fa ny vahiny no mitavana. Taratry ny fahantrana daholo izany satria ohatran’ny harem-pirenena ihany io, ny vahiny no tena misitraka. Sady mahazo tombony ara-bola ny Sinoa no mihinan-kena tsy amin’ahiahy fa mifanohitra amin’izay kosa ny Malagasy.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.