Ankoatra ny fidangan’ny vidim-bary dia efa manomboka tsy taka-bidy ihany koa ny hena amin’izao fotoana.
Manoloana izany dia manomboka mitobaka ao Antsirabe ny hena tsy fanta-piaviana tato ato. Nandray fepetra ny tompon’andraikitra ka nisy ny fanaovana “Bemidina”, nanomboka omaly alakamisy, nataon'ny teo anivon'ny BMH sy ny sampandraharahan'ny fiompiana sy ny fahasalaman'ny biby ary ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamana ao Vakinankaratra, nijery ny hena teny ambony akalana. Tampoka tanteraka moa ity fidinana natao ity, raha ny fanazavana ary niniana ho tsy nisy nahalala mihitsy, ary natombok'izyireo hatreny talata Andraikiba izany. Ity fokontany farany ity, izay tena be mpivaro-kena ihany koa, ary nisy hatramin'ny toperana famonoan-kena tsy dia ara-dalàna loatra aza teo aloha, mety noho izy somary lavitry ny abatoara ao Antsirabe koa ny antony. Nitohy tamin’ny toerana maro teto Antsirabe io ary isan'ny nojerena ny tao ami'nny tsena Sabotsy. Tsy nisy alaharo fa taorian'ny fisavana sy ny fitiliana ny hena teny ambony ankalana, dia noraofina avokoa ireo hena tsy ara-dalàna rehetra. Isan'izany ny hena tsy voatsara sy tsy nandalo ny abatoara eto Antsirabe, ny hena maloto na efa simba ary ny hena hita fa tsy salama sy misy voavary ka nahatratra am-polony kilao maromaro, ary nodorana sy nalevina izany. Amin’izao ankatoky ny fety izao moa izao, dia mahasarotiny ireo tompon'andraikitry ny fahasalamam-bahoaka io sy ny kaominina ny fanaraha-maso toa izao mba hialana amin’ny sanatria fanapoizinana faobe izay efa nitranga ihany tamin'ny toerana sasany teto Vakinaknaratra teto teo aloha. Ankoatra io resaka hena io moa dia efa misy koa ny resaka fa misy teratany karana malaza ho manaparitaka entana lany daty ihany koa ao Antsirabe ao amin’izao fotoana ka efa eo am-pikarohana izany koa ny rehetra.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.