Actualités

Helikoptera avy any Afrika Atsimo Nikoropaka ny mpitondra FAT


  • Talata 26 Oktobra 2010


Liana avokoa ny mponina tao Mahajanga afak’omaly raha nahita helikoptera iray nipetraka tao amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy. Na ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana aza tsy nahalala izay anton’ity helikoptera ity. Teratany Afrikanina Tatsimo roa no nitondra ity voromby ity. Rehefa nofotorana izy ireo dia haka sary an’i Madagasikara no anton-diany. Omaly kosa no tonga teto an-drenivohitra ilay helikoptera. Rehefa nofotorana ireto teratany vahiny roa ireto dia nilaza fa manana ny fahazoan-dalana avy amin’ny Aviation Civile de Madagascar sy ny Asecna. Tsy vao izao no nisy tranga tahaka izao fa matetika mihitsy. Efa eto an-toerana ireny fiaramanidina vahiny ireny vao gaga ny manampahefana. Tany amin’ny faritra Atsimo ihany koa efa nisy tahaka izao. Any am-boalohany dia tsy mahalala inona ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana. Minitra maro aty aoriana vao hoe nahazo alalana ilay fiaramanidina. Tsy voafehy intsony ny habakabak’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT