Actualités

Helikoptera “Allouette 2” Mbola mila fanamboarana indray


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Araka ny fanazavan’ny praiministra Camille Vital dia mbola miandry ireo teknisianina hanatanteraka ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso azy vao tena azo ampiasaina araka ny tokony ho izy ireo helikoptera “Allouette 2” miisa 4 novidian’ny FAT, izay tokony hampiasaina amin’ny fanenjehana ny dahalo.

Nanamafy ny praiministra fa marina tokoa ny filazana fa efa ela tsy niasa sy tsy nanidina ireto voromby ireto, ary tsy vaovao intsony fa efa niasa. Tsy maintsy misy ny fanaraha-maso sy fikitihana ny motera raha toa ka hiasa indray izy ireo. Tsy midika anefa izany fa fatim-by ireo helikoptera ireo, fa afaka miasa tsara fa mila fanamboarana fotsiny. Niaraha-nahita fa nanidina izy ireo tamin’ny 26 jona, hoy ny jeneraly Camille Vital, ary nambarany aza fa ny tenany manokana dia efa nanao sidina andrana nandritra ny 30 minitra tamin’ny iray tamin’ireo helikoptera Allouette ireo, ary hita fa tena mbola mety tsara ilay izy. Nanamarika koa izy fa tsy marina ny filazana fa tsy mety mitaingina azy ireo ny miaramila, miandry ny fahavitan’ny fanamboarana vao manomboka ny asa sy vao manidina izy ireo, fa tsy misy resaka hafa mihitsy araka ny nambaran’ny praiministra Camille Vital ihany.

Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa hatramin’izao hoe rahoviana no ho tonga ireo teknisianina lazaina ireo. Raha ny fahazoana ny resaka fotsiny dia teratany vahiny izy ireo. Ny mahalasa fisainana ny maro fotsiny dia ny hoe : fa inona no antony tsy nanafarana ireo teknisianina niaraka tamin’ny fahatongavan’ireo helikoptera ireo, fa izao vao mikorapaka amin’izany ? Ary angaha koa tsy mba nisy fitsirihana ara-teknika mialoha ny nividianana azy fa tonga dia noraiketina fotsiny ny varotra. Ao ambadik’izay rehetra izay moa dia efa maro koa ny feo re fa hoe noteren-ko masaka toa voalobo-jaza ny fifanarahana nividianana ireo elikoptera ireo, fa tsy tena arakaraka ny tolobidy navoaka akory. Manahy ny rehetra amin’izao fotoana fa dia mety hatao haingona Hangar eny Ivato tahaka ny Air Force One II, tsy mety misy mividy hatramin’izao indray ireto helikoptera novidian’ny FAT tamin’ny volam-panjakana ireto. Ny dahalo anefa miha mahazo vahana ihany, no sady manana fitaovam-piadiana mahery vaika ary tena mampihorohoro tanteraka ny any ambanivolo rehetra any ankehitriny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT