anontaniana mipetraka amin’ny maro ny hoe : oviana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hamoaka ny didy momba ny fitoriana napetraky ny solombavambahoaka ? Fantatra tokoa manko fa taorian’ny fametrahan’ny Solombavambahoaka ilay fitoriana ny Filoham-pirenena dia nametraka ny
Ffehinteny fiarovana azy ny Filoham-pirenena ny talata 2 jona 2015. Amin’ny maha raharaham-pitsarana ity raharaha ity dia tsy maintsy omena ny mpitory ihany koa izany io fehinteny fiarovana io. Raha tokony ho azo avy hatrany omaly anefa ny dika mitovy amin’izany fehinteny fiarovana izany, dia niverim-potsiny ireo mpisolovava misolotena ny Solombavambahoaka. Aorian’izay dia tsy maintsy ampahafantarina ny Filoha indray koa ny valin-tenin’ireto mpitory. Tsy mijanona izay fifamaliana an-taratasy izay raha tsy efa hitan’ny mpitsara fa efa tapitra ny hevitra vaovao hiarovan’ny tsirairay ny votoatin’ady na misy iray tsy mamaly intsony. Mbola azon’ny mpisolovavan’ny an-daniny na ny an-kilany indray avy eo ny mangataka hilaza ampahibemaso azon’ny rehetra hatrehina, ny fiarovana ny heviny (Plaidorie). Ny Lalàmpanorenana rahateo dia tsy nametra io fotoana tsy maintsy hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, izay misolo vaika ny asan’ny Fitsarana avo tokony hitsara ny Filoham-pirenena, ny didim-pitsarana.
Fitoniana na korontana
Etsy an-kilany, hita misy fisalasalana ihany ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana satria tsy eto an-toerana ny roa amin’izy sivy ireo, ka ny sion-dresaka, dia miandry ny fahatongavan’izy ireo aloha ireto fito hafa fa tsy te hiantsoroka irery ny vesatry ny andraikitra mampiato na tsia ny Filoham-pirenena. Marina tokoa moa fa ny mpitsara dia tokony hitsara araka ny lalàna velona, nefa fantatra ihany koa fa ny tanjona farany amin’ny lalàna sy ny fampiharana azy dia ny hahazo fitoniana eo amin’ny fiarahamonina, ka raha ny fampiharana ny lalàna no hitondra korontana dia mifanipaka amin’ny hevitry ny lalàna handamina fiarahamonina izany. Izany ve no mahatonga na ny an-daniny na ny an-kilany toy ny lasa nanao fampielezan-kevitra mihitsy, hany ka takona tanteraka ny fifidianana Ben’ny tanàna. ? Raha misy tokoa mantsy ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny hampiato amin’ny asany ny Filoham-pirenena dia tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana Filoha izany isika ao anatin’ny 30 andro, raha haingana indrindra, ary 60 andro raha ela indrindra. Sahirana ihany koa eo ny mpanao lalàna satria ny lalàm-pifidianana dia milaza fa 90 andro farafahakeliny no iantsoana ny mpifidy rehefa misy fifidianana, ka na mifanipaka aza moa ny lalàna dia ny Lalàmpanorenana no ambony ka tsy maintsy harahina, fa izany moa no hita dia toy ny fiainam-pirenena mifanipaka ankarona daholo ka adino tanteraka ny fiainam-bahoaka. Tsy mahagaga raha hilaza ny olom-pirenena hoe, ataovy ao ny anareo fa ny hanina hohaninay omaly aza tadiavina rahampitso satria dia mitrosa aloha vao mihinana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.