Actualités

Hazo beravina Tanjombato Nahitana zazarano tao anaty sachet


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Zazarano efa hary tongotra aman-tanana miaraka amin’ny tadim-poitrany no nisy nanary teny amin’ny hazo beravina lalovan’ny ranon’Ikopa etsy Tanjombato ny faran’ny herinandro teo.

 

 Nofonosina tsara tao anaty sachet miloko mainty izy io rehefa tombanana ho avy nalana na nateraka dia novoina ary notsindriana vato avy eo mba tsy hisy hahita. Olona sendra nandalo no voasarika nijery ilay sachet ka nahita fa zaza menavava tsy manan-tsiny no tao anatiny, ary efa tsy misy fofon’aina intsony. Ny zoma lasa teo no efa nisy nahita io razana kely io. Mbola nijanona teo amin’ilay toerany ihany anefa izany hatramin’ny sabotsy teo, tsy nisy lehiben’ny fokontany na tompon’andraiki-panjakana hafa tonga nijery. Raha araka ny vaovao azo teny an-toerana anefa dia olona marobe no efa nahita azy io saingy samy nitsetra fotsiny dia lasa. Tsiahivina fa ahitana tranga tahaka izao matetika eto an-drenivohitra tato ho ato.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT