Actualités

Hasin’i Madagasikara «Tsy hanaiky raha misy zavatra nomanina mialoha ao amin’ny fikaonandoham-pirenena»


  • Talata 14 Septambra 2010

Mandray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena koa ny antoko Hasin’i Madagasikara. Rariny loatra izany, hoy ramatoa Georget Saraha satria tohin’ny fandraisana anjarany tamin’ny Dinika Santatra.

 «Mijoro sady vonona hatrany izahay raha vao misy ny dinika fikaroham-bahaolana hivoahan amin’ny krizy», hoy ity filohan’ny antoko Maitso ity. Nampitandrina kosa anefa ny tenany fa tsy hanaiky ny Maitso raha misy zavatra nomanina mialoha ao amin’ny fikaonandoham-pirenena. Atsy ho atsy dia hanatanteraka kaongresy nasionaly ny antoko maitso.

Nanatontosa filankevitra nasionaly ny antoko Maitso na ny Hasin’i Madagasikara omaly teny amin’ny foibeny teny Ivato izay nisy mpandray anjara 200 teo ho eo avy amin’ny faritra 22. Misy amin’izy ireo no voafidy hisolotena ny Faritra niaviany mandritra ny fikaonandoham-pirenena. Raha ny fanazavan-dRtoa Saraha Georget dia fifanakalozam-baovao sy fanaovana jery todika ny zava-bita ary izay mila arenina ary ny fiainan’ny antoko any amin’ny faritra no dinihana amin’izany. Nambarany koa fa nandray anjara hatrany amin’ny famahana ny olana teto amin’ny firenena ny Hasin’i Madagasikara izay tsy nionona tamin’ny politika ihany akory. Nanampy tamin’ny famahana ny olan’ny mpiompy tantely tany amin’ny faritra atsinanana iny, ohatra, ny soso-kevitra natolony. Nisy akony koa ny hetsika nataony izay nitsipaka ny tetikasa fanondranana ny ranon’i Faraony any Arabia Saodita satria tsy heno intsony io fivarotan-tanindrazana saika hataon’ny FAT io. Olom-pirenena maro moa no voalaza fa resy lahatra amin’ny foto-kevitra ijoroany dia ny fiarovana ny natiora sy ny zavaboary satria efa mahatratra 75.000 izao ny isan’ireo mpikambana manana karatra amin’izao fotoana.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT