Manomboka miparitaka be indray ny harona plastika eny an-tsena eny. Ireo tena voarara, izany hoe latsaky ny 50 microns no tena betsaka raha ny hita teny rehetra teny.
Araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra tetsy Analakely dia nilaza izy ireo fa mbola misy mamatsy hatrany, rehefa niato kely teo aloha noho ny fisavana tampoka nataon’ny tompon’andraikitra. Efa lany ny stock, hoy hatrany izy ireo satria tsy vitsy ireo orinasa mpamokatra no nandoro azy ireny noho ny tahony ireo mpanara-maso. Tsy mandray eny am-potony toy ny teo aloha intsony izy ireo fa eny an-dalana no maka entana. Vokany, manomboka mahazo vahana indray izy ity fa tsy misy ny fanaraha-maso. Inona no antony namoahan’ny minisiteran’ny varotra iny lalàna iny raha toa ka tsy hisy akory ny fampiharana azy ? Sa fampitahorana fotsiny ? Sao dia tokony handeha isam-paritra ny hetsika hatao amin’io fivarotana sachet plastika latsaky ny 50 microns io hahafahana mamongotra azy hatreny ifotony ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.