Bolongam-bolafotsy milanja 50 kg no hita tany ambany ranomasin’ny nosy Sainte Marie, ambaran’ireo manampahaizana fa harena be izy ity ary tao amin’ny sambon’ilay piraty Anglisy Williams Kidd tamin’ny taonjato faha 17, ary rendrika tany amin’ny fridranomasian’ny nosy Sainte Marie
.Manampahaizana sy mpitrandraka ireo harena fahiny Amerikanina sy Anglisy no naita ity bolongam-bolafotsy ity ary nisy mihitsy noho izany ny fanadihadiana manokana nataona fahitalavitra vahiny momba ny tantaran’i Madagasikara, indrindra fa ny nosy Sainte Marie.Tonga tany an-toeana omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izay nilaza fa mifantoka aty Madagasikara amian’izao fotoana ny mason’izao tontolo izao.Tany an-toerana ihany koa ny masoivohon’i Grande Bretagne Timothy Smart sy ny masoivohon’i Etazonia Robert T Yamate izay samy nidera izao fahitana ny bolongam-bolafotsin’i Williams Kidd izao ary nanamafy indray fa zava-dehibe ny resaka fikarohana ary ho tohizan’izy ireo ny fiaraha-miasa amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny ministeran’ny kolontsaina sy ny vakoka.Anisan’ireo kaominina 3 manana sata manokana ny nosy Boraha na Sainte Marie, nisy ny fitsidihan’ny filoham-pirenena foto-drafitrasa tany an-toerana io omaly io tahaka ny seranam-piaramanidina izay asiam-panamboarana, ny lalana mirefy 51 km manavatsava an’i Sainte Marie avy any avaratra ka hatrany atsimo, nisy ihany koa ny fametrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.