Mba hisy fiantraikany any anaty vilanin’ny Malagasy amin’izay ny vokatry ny harena ankibon’ny tany eto amintsika. Io no tanjon’ny fitondram-panjakana misy ankehitriny amin’ny fametrahana rafitra vaovao eo anivon’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika.
Manomboka izao dia hitambatra iray ny fisahanana azy roa ireo fa eo amin’ny fandrindrana ny asa no hizara tale jeneraly roa dia ny misahana ny “etude et développement” izay tena hisahana ny fikarohana sy ny “Opérationnelle” izay hampihatra mivantana ny vokatry ny fanadihadiana sy ny fikarohana. Notontosaina omaly teny amin’ny minisitera teny Ampandrianomby ny fifamindram-pahefana ka Atoa Rasolomanana Eddy no tale jeneraly hiandraikitra ny fampiharana mivantana ny vokatry ny fikarohana ary Atoa Andriamparany Karl no hitarika ny departemantan’ny fikarohana. Toa malaza tsy ihinanana hatramin’izay ity harena ankibon’ny tanin’ny Malagasy ity ka izany no nahatonga izao fanatsarana eo anivon’ny fitantanana izao. Lohahevitra telo no tena hojerena maika mba ahazoana vokatra ao anatin’ny fotoana fohy, hoy atoa Rasolomanana Eddy hahatanteraka ny fanamby napetraky ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ao anatin’ny zato andro dia ny fametrahana ny fehezan-dalàna hifehy ny fitrandrahana ny solika sy ny harena ankibon’ny tany izay efa nandrasan’ireo mpitrandraka efa ela. Eo ihany koa ny fameloma-maso indray ny toeram-pampianarana ambony momba azy ity dia “Institut de gemmologie de Madagascar “ ary ny birao hisahana ny volamena eto Madagasikara na ny « agence de l’or ».
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.