Nanao antso amin’ireo mbola mikasa hanondrana harem-pirenena an-tsokosoko taorian’ny nahatrarana ireo vaingam-bolamena miisa 31 teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato
ny harivan’ny talata teo ny avy eo anivon’ny fadin-tseranana mba tsy hanatontosa ny asa ratsin’izy ireo intsony. Milanja 4,270 kilao izy ireo. Raha tsiahivina, lehilahy iray teratany indianina no nikasa hitondra azy ho any Abus dhabi. Nilaza ny mpandray hetra avy eo anivon’ny fadin-tseranan’Ivato, Haja Rakotoharimalala, tetsy Antaninarenina, omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety fa tsy misy hifandraisany amin’ny fitakiana ary tsy fampihorohoroana mpitondra velively akory ireny fahatrarana trafika matetika eny Ivato ireny satria talohan’ny fitokonana no efa nisy sarona toy izao vokatry ny paikady vaovao napetraka. Vokatra azo noho ny asa natao ireny, hoy hatrany ny fanazavana azo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.