Actualités

Hani-masaka eto an-drenivohitra Be ny laoka kanefa midangana ny vidin-kena


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Anisan’ny mampitaraina fatratra ny rehetra amin’izao ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ankoatra ny vary dia mila tsy ho azo vidina intsony ihany koa ny hen’omby.

Ny mahavariana sy mampametra-panontaniana anefa dia betsaka amin’ireo toeram-pivarotana hani-masaka eto an-drenivohitra amin’izao no mivarotra sakafo amin’ny vidiny mirary no sady be dia be.  1.000 Ar dia efa mahazo izany nefa  samy mitafotafo avokoa ny laoka sy ny vary, indrindra fa ireo misafidy ny hen’omby ritra. Raha araka  ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra iray dia mampiasa ireo karazam-bary avy any ivelany izy ireo, izay no mbola hahafahany manome vary iray lovia 1.000 Ar. Ho an’ny hena kosa  indray dia misy amin’izy ireo no milaza fa manenjika vao maraim-be ireny toeram-pamonoan’omby ireny raha misy koa ireo milaza fa manenjika eny amin’ny bekoveta eny Ampasika miazo an’Itaosy. Misy indray moa ireo milaza fa  efa manana mpanatitra hena manokana mihitsy. Tokony ho mailo ihany ny rehetra manoloana izany fa tsy ho sodokan’ny vary sy ny henabe mora amin’ny vidiny 1.000 Ar fotsiny ihany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT