Actualités

Hanapaka jiron’ny minisitera ny Jirama Ho tara ny karaman’ny mpiasa


  • Zoma 14 Aogositra 2015

Na dia efa tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny talata 11 aogositra 2015 teo aza fa nahazo fankatoavana ilay fiaraha-miasa amin’ilay orinasa amerikanina Symbion Power sy ny Jirama dia tsy mbola miravona ny raharaha eo amin’ny sendika roa tonta eo anivon’ny Jirama.

 


Raha manohana ny foto-kevitry ny fitondram-panjakana ny an-daniny dia mbola mametraka fepetra hafa kosa ny an-kilany ka mitaky indray ny fanazavana sy ny fijerena ireo fifanarahana vita tamin’ireo orinasa vahiny teo aloha no sady nanambara fa hanapaka ny jiron’ireo minisitera telo manomboka anio dia ny an’ny fitantanam-bola, izay anatin’ny fotoana fikarakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ny misahana ny rano ary ny an’ny angovo fa mbola ananan’ny Jirama trosa an-jatony miliara. Hogejain’ny mpiasa tsy hisy handeha ihany koa ireo fiaran’ny Jirama rehetra eto Antananarivo anio, raha ny nambaran’ireo mpitarika sendikaly teo an-tokotanin’ny foiben’ny Jirama Faravohitra omaly. Raha fehezina izany dia hihitsoka tanteraka ity orinasa ity ka hisy fiantraikany mivantana amin’ny mpanjifa izany. Ny fahatapatapahan’ny jiro dia azo inoana fa hitombo ary hitarika fahataran’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Ny fandoavana ny saran’ny jiro sy ny ranon’ny mpanjifa dia hikorontana ihany koa noho ny fikatonan’ireo fandoavam-bola sasany hatramin’ny alatsinainy fiandohan’ny fitokonana faobe noraisin’ny farimbon-tsendikalin’ny mpiasa. Mahatsapa ihany koa ireo farimbon-tsendikaly tsy mankasitraka ity grevy ity ankehitriny fa tsy maintsy hisy akony amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny Jirama ity fandavana ny vola miditra ho an’ny orinasa ity aoriana kely raha mijanona amin’izao ny zava-misy. Tranga hafa azo eritreretina sahady ihany koa anefa ny mety hisian’ny fifanolanana eo amin’ny roa tonta rehefa miravona ny toe-draharaha. Tsy maintsy ho avy mantsy ny fitakian’ny Jirama ny saran’ireo vidin-jiro sy rano tsy voaefan’ny mpanjifa ara-potoana. Kanefa raha mitambatra roa volana fotsiny izany dia efa tsy ho vitan’ny mpanjifa ny handoa azy. Noho izany rehetra izany dia mazava fa mety hisy olana ihany koa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT