Actualités

Hanao fety aloha ny depiote Nahemotra herinandro indray ny fivoriana


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Nanomboka omaly zoma 23 martsa ny fivoriana tsy ara-potoana andiany fahatelo ho an’ny parlemanta raha araka ny fiantsoana nataon’ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy teo mba hahafahana mandinika ireo volavolan-dalàna fehizoro telo momba ny fifidianana ary misy volavolan-dalàna hafa ihany koa moa.

Omaly hariva anefa taorian’ny adihevitra teo amin’ny depiote dia tapaka fa miato aloha ny fivoriana satria miditra amin’ny herinandro masina ireo mpino Kristianina manomboka ny alahady izao. Ho avy ny fetin’ny paska ka tsy hivory aloha ireo solombavambahoaka. Ny talata 3 aprily vao hiverina hivory indray ny eny Tsimbazaza ka hiadian-kevitra amin’izay ny volavolan-dalàm-pifidianana sy izay fanitsiana mety hatao aminy. Ny alarobia 4 aprily no voatondro fa hisorohana amin’ny fifidianana handaniana fanindroany indray ity volavolan-dalam-pifidianana ity. Tapitra amin’io rahateo ny fe-potoana 12 andro, araka ny lalàna ho ana fivoriaa tsy ara-potoana iray. Mahagaga sy mahatalanjona ny antony niantsoana maimaika fivoriana tsy ara-potoana ny 23 martsa nefa lazaina indray avy eo fa hahemotra herinandro ny adihevitra. Tsy efa hatry ny ela ve no fantatra ny datin’ny Paska sy ny herinandro masina mialoha an’io ? Sa izay mihitsy ilay tsy fahamatorana amin’ny resaka fitantanana ny firenena ? Mandeha koa anefa ny resaka fa tsy mbola mahazo antoka tsara hahavory solombavambahoaka 76 takian’ny lalàna mba handany ny lalàm-pifidianana ny HVM ka izay no nampihemorana indray ny fivoriana aloha.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT