Taorian’ny fampitam-baovao nivoaka avy eo anivon’ny Seraseran’ny zandarimaria mikasika ny halatra vy nitranga tao amin’ny Magro Ankorondrano ny 03 septambra ka nahatraran’ny mpitandro filaminana «agents de sécurité»-n’ny Chambre de Commerce telo lahy, ary notaterin’ny gazety Tia Tanindrazana ny sabotsy 04 septambra dia nitondra fanazavana ny teo anivon’ny Antenimieran’ny Varotra, tamin’ny alalan’i Barphil Razafy Andriamitantsoa, talen’ny raharaha ankapobeny sy ny lalàna, fa «ny alin’ny sabotsy 28 aogositra hifoha ny 29 aogositra 2010 tamin’ny 2 ora 20 maraina dia voasambotra tao amin’ny Magro Ankorondrano ny mpangalatra anankiroa noho ny fiaraha-miasan’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-8 Analamahitsy sy ny mpiambina avy amin’ny Antenimieran’ny Varotra Antananarivo. Nisy vy efa voatapatapak’ireo mpangalatra ireo ary efa voafatony tratra niaraka tamin’izy ireo tamin’ny io fotoana io ary dia najanon’ireo mpitandro filaminana teo an-toerana ireo. Noho izany dia andraikitr’ireo mpiambina ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra no miambina ireo. Rehefa nanao fisafoana anefa ireo avy ao amin’ny Emmo-Reg ny alin’ny 1 hifoha 2 septambra 2010 dia nahiahian’ny Emmo-Reg ho mpangalatra ireo mpiambina telo lahy niambina teny an-toerana na dia nanao fanamiana maha mpiambina azy ara-dalàna aza dia nentin’izy ireo nanaovana fanadihadiana tany amin’ny borigadin’ny Zandarimaria. Rehefa nitondra fanazavana teny amin’ny Zandarimaria moa ny tao amin’ny Antenimieran’ny Varotra Antananarivo dia navoakan’ny teny amin’ny Borigady ireo mpiambina”.
Manarak’izany dia nanambara ity tale eo anivon’ny Antenimieran’ny Varotra ity fa tsy hiraviravy tanana izy ireo manoloana ireo asa ratsin’ny mpangalatra izay mbola minia miditra amin’ io toerana io (Magro) na dia efa ambenana aza fa handray ny andraikiny ary hanenjika araka ny lalàna izay tratra izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.