Actualités

Halatra volamena sy volabe tao Toliara Voasambotra ireo jiolahy


  • Alarobia 27 Mey 2015

Omaly no natolotra ny fitsarana ny roa tamin’ireo jiolahy mitam-basy. Mpianatry ny oniversite ny iray ary mpitari-posy avy any Androy mila ravinahitra ao Toliara ny faharoa izay voasambotry ny polisy, ny maraimben’ny zoma teo. Nanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Belemboka, kaominina Mitsinjo Betanimena Toliara II izy ireo ny harivan’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. Very tamin’izany ny « moto cross » iray vaovao avy amin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena vao avy nozaraina farany teo izay tsy mbola hita hatramin’izao sy lelavola iray tapitrisa ariary ary rojo sy firavaka volamena niampy entana sarobidy hafa.

Nijininika ny ra

Raha ny fanazavana azo, niditra an-keriny tamin’io tokantranona « Adjoint pédagogique » io ireo jiolahy mitam-piadiana. Tonga dia nofirain’ireo mpandroba tamin’ny sabatra ny lohan’ilay mpampianatra nipetraka teo an-tokotany ka vaky ary nijininika ny ra. Naratra mafy voakapakapa tamin’ny antsibe ihany koa ny zanany lahy, izay mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao. Saika hotifirin’ireo jiolahy tamin’ny basy ramatoa vadiny sy ny zanany vavy, raha tsy nanoro haingana ny toerana misy ny vola. Ny alin’io ihany dia nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona ka tratra tamina trano iray ny dian’ny moto. Ny alakamisy maraina teo no nampandre ny mpitandro ny filaminana ny niharam-boina, ka nanomboka ny fikarohana ireo jiolahy. Nanamora ny fisamborana ny nahatadidiavan’ilay ramatoa voaroba ny iray tamin’ireo mpanafika.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT