Actualités

Halatra tao an-tranon’i Botozaza Dockers am-perinasa no nahavanon-doza


  • Alarobia 08 Septambra 2010

Omaly talata no niakatra mpitsara mpanao famotorana, raha ny alatsinainy teo no niditra teo anivon’ny fampanoavana, ny raharaha mikasika ireo efa-dahy sarona nangalatra tao an-tranon’ny ministry ny fitaterana farany tamin’ny fitondrana Ravalomanana, Botozaza Pierrot tao Mangarano II ary mbola namono tamin’ny fomba feno habibiana ny mpiambina ny tanŕna.

Raha ny fanazavana azo, dia “vono olona niniana natao sy efa nomanina”, miampy ny “fanaovana fikambanan-jiolahy”, ary ny “famakiana trano ka nangalarana fananan’olona”, no vesatra anenjehana azy efa-dahy jiolahy ireto. Efa miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy izy ireo ankehitriny araka ny didy savaranon’ando navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana.

Raha ny fanazavana nomena ny mpanao gazety, dia tena andiana mpangalatra anaty tambajotra mihitsy no nahavanona ity halatra niharo vono olona ity. Mpikarama an’ady fotsiny ihany izy efa-dahy tratra. Valo alina ariary isan’olona avy no karaman’izy ireo. Efa nahazoana “avance” roa alina ariary izany ka ny alatsinainy teo no saika hanomezana ny ambiny, araka ny fifanarahana nifanaovan’ireo jiolahy sy ny mpaniraka sady mpanarama. Very nandritra ny vaky trano tao Mangarano II io ny fitaovana elektronika samihafa, solosaina entin-tanana (PC Portable) ary firavaka volamena sy vola tahiry tao an-trano. Marihana anefa, fa tsy ingahy Botozaza Pierrot no tena mipetraka amin’ity tranony ao Mangarao II ity, fa ny zanany izay soa fa tsy tao an-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny halatra, fa mbola tany am-pialantsasatra.
 
Mbola karohana fatratra hatramin’izao ny mpanakarama sy ny mpiray tendro aminy, izy ireo mantsy no voalaza fa mitazona ny halatra rehetra sy mivarotra izany ihany koa. Ankoatra izay, dia fantatra fa «dockers» mbola am-perinasa ao amin’ny port avokoa izy efa-dahy namaky ny tranon’i Botozaza Pierrot tao Mangarano II ity, ary mbola namono tamin’ny fomba feno habibiana ny mpiambina koa. Midika izany hoy ny fitsarana sy ny polisy nanao ny fanadihadiana, fa mety mifankalala izy ireo, ka mba tsy hivoahan’ny marina haingana dia niafara tamin’izao famonoana izao.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT