Natao ny talata teo tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny fitsarana ilay raharaha « halatra solika » tao amin’ny Jirama Toamasina, izay niampangana ireo mpiambina 08 lahy ny orinasa mpiambina « Pro-GSI ».
Raha namoaka didy ny fitsarana fa tsy mitombina ny fitoriana azy ireo noho ny tsy fahampian’ny porofo, dia noraisiny ny fahafahana azy ireo madiodio. Raha hiverenana ny tantara dia ny alin’ny 19 martsa teo no voalaza fa nisian’ity halatra solika ity, raha tonga teny anefa ny zandary tsy nisy na « bidon » iray aza tratra, ny solika tao anatin’ireo fitoerany roa tao amin’ny Jirama Tamatave IV ihany koa tsy nahitana fihetsehana fa ara-dalàna, araka ny fanamarinana nataon’ny orinasa. Na teo anefa izao fahafahana madiodio azon’ireo mpiasa mpiambina ireto izao, dia efa nifonja vonjimaika tao Ambalatavoahangy nandritra 12 andro izy 08 ireo. Ankoatra izay, dia milaza ny hanamafy ny fanaraha-maso ny mpiasa ny talen’ity orinasam-piambenana ity, ka nohamafisina avokoa ny fisavana ny mpiasa na iza na iza mivoaka sy miditra ny orinasa Jirama aminy satria tao anatin’ny 3 taona nahazoany ny fifanarahana tamin’ny Jirama dia mpiasan’ny Jirama 12 no efa tratran’izy ireo mangalatra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.