Actualités

Halatra miharo hosoka Fiara 4x4 sy Clio iray ifampitadiavana eny amin’ny Tribonaly


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Niakatra fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina omaly ny fitoriana nataon’ny Dr Rakotomanana Gervais, Ben’ny tanŕnan’i Toamasina teo aloha, nanenjehany vehivavy iray MC nampangainy ho nangalatra fiara renault Clio sy fiara 4x4 Nissan, miampy halatra sonia namoahana vola teo anivon’ny ACOA Robista Valpinson. Ny maraina no niditra teo anivon’ny fitsarana ny antontan-taratasy, saingy nifarana ny tolakandro vao nisy ny fanadihadiana.

Raha namoaka ny fehin-teniny ny lehiben’ny fampanoavana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, dia nanenjika an’ilay vehivavy araka ny fitorian-dRakotomanana Gervais azy mikasika ny “fangalarana fiarakodia miisa roa, sy fanaovana sy fampiasana taratasy manokana hosoka ary miampy fangalarana sonia”. Nisy taorian’izay ny fidiran’ny raharaha teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Raha ny mpitsara mpanao famotorana zokiolona no tokony ho nitazona ny raharaha amin’ny fanadihadiana, dia ny mpitsara mpanao famotorana voalohany indray no nihazona izany ny faran’ny tolakandro. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava izay ho tohin’ny raharaha sy ny didy savaranonando navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana voalohany mikasika an’ilay ramatoa satria ny mpisolovava raha nanontaniana dia sady tsy nanome fanazavana mazava no somary hendratrendratra ihany koa raha vao nanontanian’ny mpanao gazety. Ny hany fantatra dia mbola hitohy ny fanadihadiana.

Raha hiverenana ny tantara dia fanalahidy namboarina manokana no nakana ny fiara 4x4 teo ivelan’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina. Taorian’izay dia nivoaka teo anivon’ireo mpitandro ny filaminana ny fikarohana ny fiara sy ny fisamborana ny naka ny fiara. Taty aoriana vao fantatra fa teny Andoharanofotsy Antananarivo no nametrahana ny fiara roa dia ny nissan 4x4 sy renault Clio iray. Mitady ny fananany moa Rakotomanana Gervais ka miandry izay havoakan’ny fitsarana nanankinany ny famahana ny olana sy hamoaka ny tena marina rehetra momba izany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT