Actualités

Halatra herinaratry ny JIRAMA Andoavana volabe sady mety hampigadra


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Rehefa tsy ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama na jiro sy rano Malagasy no nametraka ireo tariby mpampifandray herinaratra amin’ny trano iray, izany hoe tsy ao anatin’ny lisitr’ireo mpanjifan’ny Jirama ihany koa ary mazava ho azy, tsy manana taratasy fandoavam-bola mazava dia antsoina hoe mpangalatra jiro ianao izay.

  Raha ny fanazavan’ny teknisianina dia efa maro ireo tratra maka herinaratra (mangalatra) amin’ny alalan’irony andrin-jiro irony ho ao an-tokantranony. Tsy vao izao izany no nitranga fa efa talohan’ny taona 1990. Tsy vitsy koa anefa ireo nijabaka sy lasa any amin’ny varo-tsy mifody vokatry ny filingilingirany manao ity fomba ratsy ity satria rehefa tsy ny tekinisianina no mametraka ireo tariby dia mety hifandipatra any amin’ny tsy tokony ho izy izany ary miteraka fibiriokan’ny herinaratra (court circuit). Nanomboka tamin’ity herinandro ity moa dia re fa manara-maso, mitety ireo trano mampiasa herinaratra amina faritra vitsivitsy eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny Jirama ka izay tratra mangalatra dia kaotiana amin’ireo vata mila herinaratra ao an-tranony sy ny totalin’ny fotoana nampiasan’izy ireo izany ny lamandy alohany. Nisy ihany koa ny taratasy efa nozaraina tamina tokantrano maro hamenoana amin’ny antsipirihan’ny fitaovana misy sy ampiasaina ; natao izany mba hahafahan’ny Jirama mikajy ny salanisan’ny fandaniana herinaratra ao amin’ny tokantrano iray.Voatsirika avy amin’io ny mety fangalarana herinaratra; re fa misy ny efa tratra ka tsy maintsy hanefa vola sazy hatrany amin’ny 10.800.000 ariary izao, ohatra, raha ny fanazavana azo hatrany.


Maro koa anefa ny tokantrano mitaraina fa misy mpiasan’ny Jirama mpanao fitsirihana no mila vaniny sy mitaky vola tsotra izao fa hoe misy tsy milamina ny kaonteran-jiro. Manamafy ny Jirama fa tsy maintsy mampiseho taratasy mazava ny olona manao fitsirihana vao ampidirina ny tokantrano sy mijery ny kaontera.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT