Taorian’ny zava-nisy tamin’ny fahazoan’ilay polisy ny FIP fahafahana vonjimaika noho ilay raharaha halatra fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny toby miaramila 1/RM3 ny 24 nifoha ny 25 aprily lasa teo dia nisy ny niresaka nifanaovana tamin’ny komandan’ny FIP Toamasina.
“Nofitahana tamin’ny fotoana niakarana teny amin’ny mpitsara zokiolona mpanao famotorana izahay”, hoy ny tao anivon’ny FIP tamin’ny alalan’ny komandany. “Raha ny fanazavana sy ny fiantsoana voarainay, dia ny alakamisy 20 mey no fotoana niakaran’ny polisinay voarohirohy teny amin’ny mpitsara zokiolona mpanao famotorana. Gaga anefa izahay fa naroso ny alarobia 19 mey ilay raharaha nefa tsy nampandrenesina akory izahay tamin’ny fanovana ny fotoana rehetra”, hoy hatrany ny teo anivon’ny FIP nanazava ny heviny. Nambaran’izy ireo hatrany fa “raha ny tena zava-nisy ny alakamisy 20 mey io aza dia efa teo amin’ny fitsarana izahay ny maraina voaloham-potoana; nony ny tonga anefa ny tamin’ny 10 ora dia tsy hita ihany ny fiakarana fitsarana. Ny fandehanako teny amin’ny zandary nanao ny fanadihadiana no nahalalako fa naroso ny alarobia ny fiakarana mpitsara zokiolona mpanao famotorana, ary noho io tsy fahatongavanay ny alarobia io no nivoahan’ny Mandat fampisamborana ny polisinay tonga teny amin’ny zandary, izay mahamenatra fa ny mpampanaja lalàna indray no tsy tan-dalàna sy hosamborina noho ny tsy fanajana izany”.
Nanamafy kosa anefa ny teo anivon’ny FIP mikasika ny zava-misy fa “tsy nanao fanelanelanana tamin’ny fahazoana ny famotsorana vonjimaika mialoha ny fitsarana ny polisinay izahay. Ny fidiranay tao amin’ny mpitsara zokiolona mpanao famotorana dia noho ny fampiantsoana nataony anay, noho ny zavatra nambaran’ny polisinay tamin’ny fanadihadiana natao azy. Ny fandehanan’ny talenay tany Antananarivo ny zoma 14 mey kosa dia noho ny fotoam-bavaka fanao isam-bolan’ny polisy manerana ny Nosy araka ny fandaminana vaovao eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka”. Nambaran’izy ireo hatrany koa fa “manana ny fanapahan-keviny ny mpitsara zokiolona mpanao famotorana amin’ny didy avoakany, ary tsy miaro olon-dratsy ny FIP sy ny polisy raha tena nanao izany tokoa io polisinay io”. Ny 28 mey izao moa dia mbola hiakatra mpitsara mpanao famotorana zokiolona ity polisin’ny FIP ity, ka ny hanenjehana azy dia ny firaisana tsikombakomba tamin’ny resaka halatra fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny 1/RM3. Mbola manao ny asany eo anivon’ny FIP Valpinson Toamasina anefa izy amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.