Mifamahofaho be ny resaka manodidina ireo fahaverezana fiara eto an-drenivohitra
. Ny tranga vaovao re indray izao, dia misy sahy mitonona tsotra izao fa azy ny fiara iray ary midrikina amin’izany, ka mifampitarika hatreny amin’ny mpitandro ny filaminana. Misy ny fisamborana sy figiazana fiara aorian’izay. Rehefa tonga anefa ny fotoana hanaovana ny fampifanatrehana tokony hampisehoan’ilay milaza fa tompon’ny fiara ireo antontan-taratasy manamarina fa azy ny fiara dia manao sambo milentika any izy. Endrika fisolokiana vaovao indray io. Maro no lasibatra ka izay tsy matanja-tsaina dia mety ho taraiky sady afa-baraka no very fananana.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.