Mbola misy hatrany ny olona voasambotra rehefa tratra ambodiomby amin’ny halatra ao amin’ny Magro Ankorondrano. Ny maraim-ben’ny talata 27 jolay teo dia mbola nisy enina hafa indray voasambotry ny polisy manao fisafoana. Teo am-panendahana ireo tafo izy ireo no sarona raha araka ny vaovao azo. Nentina avy hatrany tany amin’ny polisy misahana ny boriborintany fahavalo (Analamahitsy) ry zalahy ireo. Natolotra ny Fampanoavana omaly ka naiditra am-ponja vonjimaika mandram-pahatonga ny fotoam-pitsarana azy ireo. Raha tsiahivina dia efa nisy ihany koa ny olona roapolo izay indray tratran’ny mpitandro ny filaminana teo am-pangalarana, tao amin’ny Magro Ankorondrano hatrany. Ireo koa dia efa naiditra am-ponja avokoa. Hatramin’ny nanidiana azy dia lasa hifamotoanan’ny mpangalatra io toerana io. Na ny fefy aza efa misy faritra tsy misy izany intsony. Kanefa dia vita amin’ny vy avokoa izany. Ny ao anatiny indray dia saika efa tapitra tsy misy intsony ireo kojakoja vy rehetra izay ny mahatalanjona dia tsy misy mora endahina izany. Vitan’ireo olon-dratsy hatrany anefa ny mangalatra izany. Efa kely sisa dia babangoana tanteraka io toerana io. Soa aza fa mba misy ihany ny mpitandro ny filaminana mba manara-maso amin’ny alina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.