Tsy kely lalana ny ratsy. Misy manao lahasa mitety lanonana na fandevenana mihitsy manatanteraka izany
. Halatra autoradio sy finday any am-pandevenana. Amin’ny mariazy indray dia ny vola tso-drano mihitsy no kendren’izy ireo toy ny nahazo ireto mpivady vao ny sabotsy teo. Ny fianakaviana samy revo mifaly havanja miaraka amin’ny mpivady amin’izy roa kely, ny rakitra tatsy nisy nibata ary nanjavona.
Mahamasina
Maro no naratra vokatry ny fifanosehan’ireo mpijery tonga tetsy amin’ny Palais des sports omaly, nandritra ny famaranana ny fifaninanana “Kopi-kolé”. Nentina tao amin’ny HJRA ireo naratra, ary nisy zaza mbola menavava.
Marolambo
Trano 113 tafo no indray kila ny sabotsy teo, ka trano tafo fanitso ny 16 raha tafo bozaka ny ambiny. Olona 350 no traboina vokatr’io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.