Actualités

Hala-jaza eny Andoharanofotsy Tsy mbola nahazo vaovao ny ben’ny tanŕna


  • Zoma 17 Aprily 2015

Mahoraka be ny resaka hala-jaza eny amin’ny faritra Andoharanofotsy eny. Efa nisy mihitsy aza ny vaovao nivoaka nilaza fa efa zaza efatra tao anatin’ny herinandro no nanjavona teny an-toerana ka ny iray amin’ireo efa maty vao hita.

 

 Rehefa nanontaniana ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy dia nambarany fa tsy mbola nampandre azy vaovao mikasika izany ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana. Notsindriany ihany koa fa tsy mbola nahazo vaovao ofisialy izy na dia tsy nitsahatra ny nihaona tamin’ireo sefom-pokontany isan-tsokajiny aza tamin’ity herinandro ity. Ny hany vaovao reko, hoy izy izay tsy fantatra ny fahamarinany dia ny fisiana tovolahy iray 17 taona nisy naka tany Mandroseza ary tafaporitsaka teo Andoharanofotsy, manakaiky ny tobim-pivarotan-tsolika iray. Ny fantatra dia tena misy peta-drindrina maro milaza fahaverezan-jaza eny amin’ity kaominina iray ity ka mihorohoro avokoa ny ray aman-dreny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT