Actualités

Haino aman-jery Misy tele vaovao ao Antsiranana


  • Talata 27 Novambra 2012

« De gaga elah ! ». Misy fanomezan-dalana hanokatra haino aman-jery sa tsy misy ?

 Nitondra fanazavana tao amin’ny radio nasionaly malagasy, nandritra ny fandaharana savaravina ny minisitry ny serasera Rahajason Harry Laurent, fa mazava ny voalazan’ny lalàna mikasika ny haino aman-jery fa misy ny tolo-bidy ataon’ny fanjakana arakaraka ny maridrefy mbola azo ampiasaina. Mbola izy no nilaza fa hatramin’ny 2009 no ho mankaty dia tsy mbola nisy ny fanaovana tolo-bidy izany. Ny zava-misy anefa dia izao, ankoatra ny TV Plus izay manitatra ny ambaindainy any amin’ny Faritra ao anatin’izao krizy izao, dia misy fahitalavitra tsy miankina iray, fantatra amin’ny anarana hoe : Télévision Jupiter Antsiranana, ihany koa izao hitan’ny mpijery ao Antsiranana ankoatra ny Varatraza, an’ny fanjakana.

Efa ho iray volana eo izao izy io no manao andrana teknika, ary mandefa horonantsary io fahitalavitra tsy miankina io. Rehefa nandeha ny filazana fa hotokanana amin’ny fiandohan’ny volana desambra ho avy io ny hopitaly manara-penitra sy ny trano Cité Mandroso ao an-toerana dia mandefa doka mikasika io lanonana politika io ity fahitalavitra Jupiter ity. Efa nahazo alalana handeha no dikan’izany matoa efa mandefa doka amin’izay an’ny fanjakana, ka aoka hazava ny resaka ! Misy fanomezan-dalana hanokatra haino aman-jery ve eto sa tsia ? Raha eny, inona no tsy mbola hisokafan’ireo tratry ny fanakatonana faobe tamin’ny 2010 ?

Nangonin’i JD Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT