Actualités

Haino aman-jery manohana fitondrana Avy aiza ny volabe nananganana azy ireo ?


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Mitombo isa hatrany ireo haino aman-jery niforona tamin’ ity taona 2018 ity. Ho an’ ny televiziona manokana dia mahatratra 15 izy ireo ankehitriny raha 12 tamin’ny taon-dasa. Marihana fa ny 85% amin’izy ireo dia manohana fitondrana avokoa.

 
Mahazo alalana avy amin’ny sampana miandraikitra ny serasera amin’ny haino aman-jery na “Commission speciale à la communication audiovisuelle” (CSCA) rehefa mpanohana sy mila ranondranony amin’ny fitondrana ny haino amn-jery. Manana fitaovana raitra dia raitra avokoa izy ireo ary arifomba sy ara-teknolojia mihitsy. Mahavariana anefa fa misy amin’ireo haino aman-jery ireo dia tsy dia hahitana dokambarotra na iray aza, misy ihany koa no tsy mampidi-bola mihitsy.  Raha gazety an-tsoratra indray dia tsikaritra fa ireo manohana fitondrana no tsy dia misy manjifa firy. Tsy atao mahagaga intsony izany satria ireo haino aman-jery mpampahalala vaovao akaiky ny fitondrana no mirona kokoa amin’ny fanolorana vaovao noforonina. Mifanohitra amin’ny zava-bita dradradradraina no iainan’ny vahoaka malagasy. Avy aiza ny vola hananganana azy ireo ? Raha ny fantatra dia lafo dia lafo ny fitaovana raha te hanokatra haino aman-jery iray. Ho an’ny onjam-peo ohatra, mitentina 200 hatramin’ny 600 tapitrisa Ariary eny mety hihoatra an’izay aza ny vidina “émetteur” iray; mbola an-jatony tapitrisa ny fitaovana hafa tsy maintsy ampiasaina avy eo. Sao lahy misy endrika famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana ?  Ny azo antoka aloha dia tsy mahazaka fifaninanana amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao sy ny haino aman-jery ny Fitondrana. Tsara ny manamarika fa ny olom-pirenena rehetra dia manan-jo hahalala vaovao amin’ny fomba rehetra ary voarakitra ao anatin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona sy ny lalàmpanorenana izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT