Actualités

Haino aman-jerin’ny HAT Mampiasa paikady efa nilaozan’ny toetrandro !


  • Zoma 21 Mey 2010

Tsy nitsitsy fitenenana mihitsy omaly tontolo andro ny haino aman-jery manohana ny HAT fa dia niezaka araka izay tratry ny heriny amin’ny fandresen-dahatra ny olona tsy hamaly ny antson’ny FIGN sy ny mpitondra fivavahana.

Teo ny filazana fa efa sangy mihoatra ny loha no misy amin’izao fotoana ary mitarika ny olona ho faty mihitsy ny mpitondra fivavahana sasany. Teny an-tsefatsefany teny moa tao anatin’ny fanentanana tamin’ilay onjampeo, efa diso fantatry ny eto Antananarivo loatra, dia misy ny karazana fampitandremana sy fampitahorana mihitsy ny olona mba tsy hiakatra eny amin’ny Mausolée sy ny manodidina ny FIGN Fort Duchesne. Mitana toerana lehibe tokoa amin’ny toe-draharaha tahaka ireny ny serasera sy ny filazam-baovao, ary matetika dia samy manana ny azy sy ny fomba fiasany ny ankolafy na firehana tsirairay avy. Efa zava-nitranga teto amin’ny firenena foana izany, vantany vao misy ny disadisa politika, saingy raha ny fahitana azy dia misy amin’ireo mpanao gazety namana, no tsy mbola mahay mandray lesona ihany, tamin’ireo zava-nisy maro be teto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka lasa mandray ny toeran’ny mpanao politika ary lasa mivoaka tanteraka mihitsy ny valan’ny asa fanaovan-gazety tena izy. Ho an’ireo mpanara-baovao dia tetikady efa nilaozan’ny toetrandro no mbola tadiavin’ireo haino aman-jery mpanohana ny HAT hanasana atidoha ny Malagasy amin’izao fotoana. Fahadisoana hovidian’i Andry Rajoelina lafo ny tsy fahaizana mifehy io serasera tokony hatao amin’ny andro krizy tahaka izao io, araka ny tenin’ny mpikirakira serasera tafaresaka taminay. Ny olona mantsy hoy izy, tsy te hahalala, fa dia hoe i Andry Rajoelina no tompon-kevitra ary nahazo alalana avy any aminy matoa sahy miteny tahaka ny fanaony isan’andro ireo mpanao gazety manohana azy fatratra ireo !

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fampiofanana hanamory
  • Alarobia 22 Aprily 2026

fiaramanidina Nanenjana ny ACM, naato ny

  • FILOHAN'NY SMKAR
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny PDS

  • Niteny ny Lehiben’ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Franc-maçonnerie GODF

  • Toe-draharaha
  • Alarobia 22 Aprily 2026

politika mafana

  • Fampandrosoana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

sakanan’ireo mafia Voaporofo tamina firenena

  • Tafapetraka ny PDS
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Feno Ralambomanana

Hijery ny tohiny
FTT