Actualités

Haingo Mpanoratra Marary mafy, mila tolo-tanana maika


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Anisan’ny olona fanta-daza teo amin’ny sehatry ny kanto teto amintsika Razafiharijaona Haingo Michel. Sady mpanoratra izy no mpamoron-kira. Mpanakanto malaza maro be toa an-dry Bodo, Tovo J’hay, Bessa sy Lôla…

 

 no efa nahazo tombontsoa tamin’ny sangan’asany. Ankehitriny, iharan’ny tsy fahasalamana ary mila fanampiana maika ny lehilahy. Aretin’ny aty sy ny havokavoka no mahazo azy, raha araka ny fanazavan’i Hanitra anabaviny. Taorian’ny fetin’ny 26 jona izy no efa naiditra tetsy amin’ny hopitaly Befelatanana hotsaboina ao amin’ny sampandraharahan’ny pnemôlôjia. Efa tena betsaka ireo lanin’ny fianakaviany sy ny vady aman-janany. Efa  in-droa natao “scanner” ny tenany, ary efa in-dimy nanaovana “analyse”  amin’ny sarany 140.000 Ar isaky ny mandeha ihany koa  … Ankoatra izay dia any amin’ny efitrano andoavam-bola no misy an’i Haingo. Manoloana io tranga io dia mangataka fanampiana amin’ireo malala-tanana ny fianakaviany. Amin’ny alalan’ny laharam-pinday 034 20 819 64 no hahafahana mandefa fanampiana na mifandray amin’izy ireo. Marihina moa fa i Haingo no nanoratra ilay boky mitondra ny lohateny hoe : Ilo….

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT