Nisehoana hain-trano mahatsiravina teny amin’ny fokontany Mahavoky, Boriborintany Fahatelo, ny alakamisy 31 Aogositra 2017 tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.
Trano hazo miisa 40 sy trano biriky 4 no indray may ka olona miisa 387, izany hoe tokantrano 70 no indray traboina. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia trano hazo iray no nanomboka nirehitra ka niitatra teo amin’ny manodidina. Kila forehitra avokoa ny entana rehetra tamin’ireo trano ireo hatramin’ny vola sy ireo antontan-taratasim-panjakana ilaina samihafa. Tsy nisy ny aina nafoy fa olona roa no naratra mafy ka naiditra hopitaly. Somary teritery ny toerana ka nanano sarotra ny fidiran’ny mpamonjy voina teny an-toerana. Fiaraben’ny mpamonjy voina feno rano miisa 4 no efa nanatanteraka ny famonoana ny afo izay tsy nitsahatra raha tsy tamin’ny 11 ora alina. Ny zaza amam-behivavy dia nalefan’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fokontany tao amin’ny EPP Andravoahangy I. Nandritra ny fahamaizana dia voatery notapahan’ny JIRAMA ihany koa ny herinaratra mba hisorohana ny zava-doza mety hitranga. Tonga nanatitra fanampiana ho an’ireo traboina noho ity hain-trano ity ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly. Tonga nampahery sy nitondra fanampiana (sakafo sy fitaovana) ihany koa ny fitondram-panjakana notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier. Ho fanarenana ny tanàna izay ravan’ny afo sy hanadiovana ny toerana dia misy ny asa atakalo vola amin’ny alalan’ny asa tàna-maro andraisana 5 000 Ariary isan’olona isanandro ho an’ireo olona ao amin’ny fokontany Mahavoky. Nanao ny azy koa ny faritra Analamanga.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.