Mitohy hatrany ny asa sosialy entina hanasoavana ny mpiara-belona tanterahin’ny fikambanana HAFARI Malagasy.
Olona miisa 350 indray no nomen-dRafanomezantsoa Jean Nirina asa mivantana amin’ny alalan’ny famakiana vato ankehitriny. Ankoatra ireo mpikambana taloha eo anivon’ny HAFARI dia betsaka ihany koa ireo mpikambana vaovao no mahazo tombontsoa amin’izany. Toerana maro no hanatanterahana ny asa ankehitriny toa an’i Soaniedanana, Ambatomirahavavy, Ankadivoribe. Betsaka ny kaomandy, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Miezaka ny mitady hevitra hatrany izahay hanampiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny famoronana asa vaovao, hoy izy. Anisan’ireny ny fanampiana ireo mpianatra 80 mianadahy nianatra ny teny Anglisy tao amin’izy ireo izay navoaka tamim-pomba ofisialy omaly. Ny hahafahan’ireto mpianatra ireto mahita asa avy hatrany no tanjona hahafahany mandresy ny fahantrana, eo ihany koa ny mba hahafahana mampahafantatra ny firenentsika amin’ireo vahiny avy any ivelany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.