Actualités

HAFARI Malagasy Miroso amin’ny famahana ny olana momba ny ady tany


  • Zoma 10 Aprily 2015

Efa misy ankehitriny ny tetikasa vaovao entina handaminana ireo ady tany etsy sy eroa mitranga eto amintsika

. Ny fikambanana HAFARI Malagasy no mandray an-tanana izany izay nosantariny tamin’ny fampihaonana ireo fokonolona ao Mahitsy Alasora sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Mabel izay hanangana abatoara famonoana akoho eny an-toerana, omaly teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola. Nanaiky ny hanao kianja filalaovam-baolina manarapenitra ho an’ireo tanora eny an-toerana mantsy ity orinasa ity, nanaiky ny handoa vola ho an’ireo olona tsy mbola nahazo sara-panajariana ihany koa, nanaiky ny hanao toeram-panasan-damba ho an’ireo mpanasa lamba very toeram-piasana  ary ny lalankely nofoanany hahafahan’ny mponina mifamezivezy. Na izany aza dia nambaran’ny fikambanana HAFARI Malagasy fa tsy maintsy hitadiavam-bahaolana ny mikasika ny tontolo iainana eny an-toerana na dia tsy anjaran-dry zareo aza ny mamaha olana amin’izany fa an’ny One. Nilaza kosa ny orinasa Mabel fa hanaja izany tontolo iainana izany. Tsy vitsy amin’ ireo mponina eny an-toerana mantsy  no mitaraina ny haherin’ny fofona avoakan’ireny akoho vonoina ireny. Tsy hijanona hatreo ny famahana olana ara-piarahamonina amin’ny alalan’ny fampifanantonana sy fampifiresahana ireo ankolafy mifanditra toy ny fokonolona eny Antanandrano sy ny orinasa Telma, ny raharaha fifanolanana eny Ivato, ny ady tany eny Ambohimangakely sns… Nambaran’ny filohan’ny Hafari Malagasy omaly fa araka ny fangatahana nataon-dry zareo dia nahantona amin’ny asany maha-ben’ny tanàna azy mandritra ny iray volana nanomboka omaly ny “Maire” n’Alasora.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT