Actualités

Hafari Malagasy Hivarotra trano mora


  • Talata 26 Desambra 2017

Fanamby goavana no apetraky ny fikambanana Hafari Malagasy amin'ny taona 2018 ho avy io.

  Ankoatra ny fanomezana asa ny mpiray tanindrazana amin'ny alalan'ireo tetikasany maro dia hiroso amin'ny fivarotana trano mora ho an'ireo maniry te hanan-trano indray ny fikambanana, araka ny fanazavan'ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina. Tafiditra ao koa ny any amin'ny faritra, ankoatra ny tolotanana ho an'ny mponina eto Antananarivo. Manomboka amin'ny 1 hetsy Ariary nyvola aloa isam-bolana ary efa eo an-dalam-pikarakarana ny taratasy ny fikambanana. Fantatra izany nandritra ny lanonana famaranana ny taona notanterahin'ny fikambanana teny Anosizato ny faran'ny herinandro teo. Nosantarina tamin'ny fotoam-pivavahana nisaorana an'Andriamanitra ny hetsika sady nangatahana fitahiana ihany koa hahafahan'ny vahoaka Malagasy sy fikambanana Hafari miatrika amim-pitoniana sy amim-pilaminana ny taona vaovao 2018. Nofaranana tamin'ny fizarana sakafo ho an'ireo zokiolona an-jatony ny lanonana, ho mariky ny firaisankina sy ny fifankatiavana misy eo amin'izy ireo sy ny fikambanana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT