Actualités

HAFARI Malagasy Hangataka tanim-panjakana hanampiana ireo rava trano


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Onena ireo olona rava trano marobe eto an-drenivohitra ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Toraka izany koa ireo maniry ny hanana tany nefa tsy manana fahafahana ny hividy izany. Anisan’ny antony nanosika ny filoha nasionalin’ny fikambanana hangataka tanim-panjakana eny Ankadiefajoro Tanjombato  teny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eny Anosy izany omaly taorian’ireo dingana marobe efa narahiny,  notronin’ireo vahoaka mpanara-dia azy. Raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina mantsy dia betsaka ireo tanim-panjakana mipetra-potsiny tokony omena ny olona eto amintsika ka anisan’izany io hitan’ny fikambanana eny Ankadiefajoro io. Olona manodidina ny 600 isa eo ho eo izay efa hananan’izy ireo lisitra ara-dalana no ezahiny hahazo tombontsoa amin’izany ka anisan’ny voakasika ihany koa ireo mponina eny amin’ny faritra iva. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy hijanona eo amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany ihany ity fangatahana ity fa ho entin’izy ireo handalo eny anivon’ny Ministera miadidy ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany, ny primatiora ary ny fiadidian’ny Repoblika. Tsiahivina moa fa hanangana tanana vaovao hahafahan’ny olona miaina ara-dalana  toy ny eny amin’ny PK 67 Soaniedanana no tena tanjon-dRafanomezantsoa Jean Nirina.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT