Actualités

Hafa kely Afaka mifidy ny maty !


  • Alakamisy 25 Novambra 2010


Mbola namela tasy sarotra kosehana amin’ny tontolo politika eto amin’ny firenena ny tsy fahatomombanana maro nandritra ilay fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra lasa teo ka mampitombo isan’andro ny vondron’olona sy fikambanana tsy manaiky ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI. Nanaitra ny maro tokoa ny tatitra nataon’ny Kmf/Cnoe ny talata lasa teo. Tsy iverenantsika eto intsony ny voalaza rehetra tao momba ireo tsy fahatomombanana sy fandikan-dalàna mialoha sy nandritra ny fifidianana fa ny singanina manokana eto fotsiny satria tena tsy mampino nefa tranga tena nisy dia ny niseho tany Fianarantsoa. Tao amin’ny Kaominin’i Talatamaty ao anatin’ny distrikan’i Fianarantsoa I ity tranga hafa kely ity.

Araka ny tatitry ny Kmf/Cnoe izay nanana mpanara-maso tany an-toerana dia olona 54 be izao izay efa nodimandry no mbola tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana. Tsy dia hoe be mponina be mankaiza anefa ao amin’io Kaominina io. Tena nanaitra ity tranga ity satria mponina tao an-toerana avokoa ireo olona efa nodimandry 54 ireo ary tsy sanatria hoe nafenina tamin’izy ireo ny nodimandry fa dia fantatry ny tao an-tanàna tsara, ary raha ny tena marina ihany koa na dia any amin’ny faritra tena ambanivohitra be aza dia tsy maintsy mampandre ny tompon’andraikitry ny Fokontany ny fianakavian’ireo nodimandry.

Izany rehetra izany no mahagaga tamin’ity tranga tany Talatamaty Fianarantsoa ity, hoe nahoana no tsy nesorina tao anatin’ny lisi-pifidianana ireo olona efa maty ireo, sa ve nandrasana hiteny izy ireo hoe esory ao izahay fa efa aty an-koatra vao nanao ny asany ny mpikarakara ny lisi-pifidianana eny amin’ny Fokontany ? Ny tao amin’ny CENI moa dia niaiky fa nisy tokoa ny tsy fahatomombanana ary maro be ny fanitsiana sy fanatsarana tsy maintsy atao mialoha ny fifidianana manaraka.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT