Tsikaritra ho manjaka ny gaboraraka amin’ny resaka fitaterana sy fifamoivoizana eny an-dalambe eto Antananarivo sy ny mivoaka ny renivohitra.
Misongadina io eo amin’ny fitaterana entana. Tsy voahaja intsony ny refy 80sm fetra farany ambony azo ekena amin’ny haavon’ny entana. Tsy natao hanenjehana sokajinon’olona na fiveloman’olona manokana fa hahatarafana izany ny fitaterana ny “éponge” amidy eto an-drenivohitra. Misavovona sy mihoatra avo telo na efatra heny amin’ny refy ekena. Nahazo fahazoan-dalana manokana ve ireny fiara ireny sa misy ny resaka kolikoly matoa tsy mba voasakana ? Tsy vitan’ny mety hitera-doza fa miteraka fanelingelenana ho an’ny hafa. Iza no homen-tsiny raha sanatria ka mivadika noho ny entana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, na koa mirehitra noho ireo “éponge” mora midedaka ? Ny kaominina na ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ve no homen-tsiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.