Actualités

Guy Rivo Randrianarisoa Notendrena ho Sekretera jeneralin’ny CUA


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Taorian’ny tsy naha minisitra azy sy ny fampahafantarany fa tsy ho kandida Solombavambahoaka Atoa Guy Rivo Randrianarisoa dia napetraka eo amin’ny andraikitra maha Sekretera jeneraly eo anivon’ny kaominina Antananarivo (CUA) ity depiote sady minisitra teo aloha ity.

 

 Ao anatin’ny ainga vao ho fanatsarana sy fanavaozana ny fitantanana ny tanàna izany, ka dia nampahafantatra ny mpiara-miasa aminy akaiky omaly tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Nambarany fa ny fanarenana sy ny fanavaozana ny fitantanana ny tanàna atao no mahatonga ny fanendrena vaovao ary hisy ihany koa ny famindran-toerana. Mitohy hatrany, hoy, izy ny fanatsarana ny tanàna dia ho kaominina modely Antananarivo, izany dia mitaky ny antsoina hoe: “Rodobe ho amin’ny fanatsarana ny renivohitra”. Tanjona ny hananana tanàna madio, raharaha na “service public” hatokisan’ny vahoaka, haingana sy tsara kalitao, fifamoivoizana mirindra ary fampidiran-ketra mitombo hatrany. Hampihatra ny “e-gouvernance” noho izany ny kaominina na fitantanana mampiasa ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana sy serasera: hanamorana ny fanaovana taratasy isan-karazany sy ny fifandraisana amin’ny vahoaka mpanjifa, hampitomboina ny fampidiran-ketra, hanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa samy hafa miara-miasa amin’ny fiadidiana ny tanàna. Ny fampiasana ny e-gouvernance dia antoky ny fitantanana mangarahara sy fampihenana ny kolikoly. Hatao ho filamatra na “pilote” ny Boriborintany voalohany sy faha-6. Nankasitraka ireo mpiara-miasa ny Sekretera jeneralin’ny kaominina teo aloha, Heriniaina Razafimahefa ary nambarany fa mbola ho ao amin’ny CUA hatrany izy. Ny vaovao, Guy Rivo Randrianarisoa kosa dia nanambara fa vonona hiara-kiasa amin’ny rehetra.

 

 

 

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT