Miampy isa tampotampoka indray ny radio tsy miankina raisina amin’ny onjam-peo FM eto an-drenivohitra.
Nifoha tamin’ny torimasony ny Radio Korail fa niova anarana ho i-BC Radio rehefa niova ny tompony, saingy renesina eo amin’ny mari-drefy FM 90 hatrany. Niezaka nanazava ny Tale jeneralin’ny serasera Ramanakamonjy Guy Laurent fa ara-dalàna avokoa ny mombamomba an’ity onjam-peo ity. F’angaha tsy hoe izay radio tsy mandeha mandritra ny telo volana dia sintomin’ny OMERT indray ny onjam-peony dia miandry tolo-bidy vaovao izay hahazo azy ? Efa nampilaza ny minisitera ny fiatoany ve ity haino aman-jery ity ? Raha eny, aiza ny taratasy ? Sa efa nisy tolobidy nivoaka tany ? Raha nisy, nahoana no tsy nampahafantarina ny besinimaro ? Ny heno farany dia hoe miato aloha ny fanomezan-dalana hanokatra radio na televiziona vaovao eto Madagasikara. Ny tsaroana eto dia ny resaky ny Talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny serasera Nivo Ratiarson sy ny Tale jeneralin’ny serasera Ramanakamonjy Guy Laurent tamin’ny volana mey 2015 tamin’ny nanakanan’izy ireo tamin’ny fomba rehetra ny fikasan’ny MBS Radio hiverina handefa fandaharana eo amin’ny mari-drefy FM 95.4. Niverimberina tamin’ny fanazavan’izy ireo, narahana famakiana andinin-dalàna samihafa, fa rehefa tsy mandeha mandritra ny telo volana ny radio dia sintonin’ny OMERT ny onjam-peo. Asa na oviana izany Radio Korail izany no re farany, raha efa tamin’ny oktobra 1993 tany izy no nanomboka re teto an-drenivohitra teto. Ny mazava dia nanaovana halako bika tsy tiako tarehy ny radion-dRavalomanana, toy ny nihazakazahan’ny minisitera nanakatona ny Antananarivo Radio-Tele izay haino aman-jerin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra rehefa nanangasanga ny fandresen’i Lalao Ravalomanana tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto an-drenivohitra.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.