Actualités

GTT International Miantso ny iraisam-pirenena tsy hitazam-potsiny


  • Zoma 26 Novambra 2010

«Fanamparam-pahefana tapitrohatra» no misy eto Madagasikara, hoy ny GTT International, raha tsy hiteny afa tsy ny famotehana izay rehetra hita fa manohitra ireo mpanongam-panjakana ka lasibatra indrindra amin’ireny ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Nanoratra taratasy, karazana fanangonan-tsonia, ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa ny GTT International, nitanisany ireo karazana famoretana ataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita amin’ireo mpanohitra. Anisan’ireny ny fisamborana sy fanagadrana feno herisetra sy habibiana toy izay natao ireo manamboninahitra teny Ivato sy ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato sady filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy, Ralaiseheno Guy Maxime, ny nanjavonan’ireo mpitarika telo mirahalahy, Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanilas, Tsarahame Edouard, ny fanagiazan’ny FAT ireo toerana fanehoan-kevitra. Nokianin’ity vondrona ity ihany koa ny fihetsik’ireo mpampita vaovao vahiny, toy ny Frantsay izay mandiso ny vaovao lazainy, ny nandefasana ireo Parlemantera frantsay hanara-maso ny fitsapan-kevi-bahoaka kanefa fifidianana ‘hosoka’ tsy neken’izao tontolo izao, ny fandefasana fitaovam-piadiana ho an’ireo milisy.

Ankoatra izay dia takian’ny GTT International sy ireo vahoaka nanao sonia ilay taratasy ny hampijanonan’i Lafrantsa ny fitsabahany amin’ny raharaham-pirenena Malagasy satria firenena mahaleo tena i Madagasikara. Ankoatra izay dia mangataka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hihetsika haingana ny GTT International. Anisan’ny angatahin’izy ireo ny fidirana an-tsehatry ny borigadin’ny SADC hanala ny fitaovam-piadian’ireo milisy, hametrahana filaminana sy fandriampahalemana eto Madagasikara. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT