Actualités

GTT Frantsa sy Belzika Tadiavin’ny FAT hotakonana amin’ny fetifety ny fahorian’ny Malagasy


  • Alakamisy 24 Jona 2010


Nanasa ny GTT Frantsa sy Belzika hiaraka hankalaza ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena ny Ambasady Malagasy ao Parisy Frantsa. Tsy nanaiky ny fanasana anefa ny GTT. Ny antony, ho azy ireo dia “solontenan’ny fanjakana tsy ara-dalàna no mikarakara ka tsy ekena”. Fitadiavana fankatoavana no nandraisan’ny GTT ny niantsoana azy, ka dia nolaviny. Manazava izy ireo fa “tadiavin’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) takonana amin’ny fetifety ny fahorian’ny Malagasy izay ianjadian’ny fampihorohoroana, fanagadrana ny tsy manan-tsiny, fitazomana amponja ny tsy mitovy hevitra aminy”. Mampahatsiahy ny GTT Frantsa sy Belzika tamin’ny fanambarana niraisan’izy ireo fa “nanome vola 28 000 euros hanaovana fety ny FAT, ny Malagasy anefa mijaly tsy misy asa, tsy misy ho hanina, maro ny mamono tena, ny mivaro-tena, ny mangalatra, mba ho velombelona”.

Ho an’ny GTT dia “fankatoavana ny fanandevozana fa tsy fahafahan’ny firenena ity fety kasain’ny FAT hatao ity ka tsy azon’izy ireo ekena”. Na izany aza dia «tsy manome tsiny ireo Malagasy madinika mandray fanomezana, ianjadian’ny fahoriana, ka na fotsimbary iray sotro kely aza tsiponina, maika fa omena vary sy hena indray andro hanakonana ny fijaliana mandava-taona noho ny fitondrana ankehitriny”.
Na izany aza dia nilaza ireto GTT ireto fa tsy hanadino ny 26 jona saingy kosa haneho ny tsy fankasitrahana ny asan’ny FAT, izay ambarany fa «manapotika ny firenena ka mitady hanarona izany amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena sarintsariny, sy ny faha-50 taonan’ny foloalindahy malagasy».
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT