Taorian’ny hetsika niarahana tamin’ireo mpiara-miasa teny amin’ny hotel Carlton ny alarobia 18 aprily lasa teo dia nitohy teny amin’ny Domaine de l’Ermitage – Mantasoa ny sabotsy 28 aprily teo ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny “Groupe Vidy Varotra”.
Fotoana iray nanamafisana orina indray ny firaisankina sy nampatsiahivana ny Vina sy ny tanjona hotratrarina. Niatomboka tamin’ny fandraisam-pitenenana ny fotoana, izay nentin’ireo tompon’andraikitry ny orinasa nisaorana ny mpiasa rehetra, tamin’ny ezaka efa vita nandritra izay 15 taona izay sy nandrisihana ny tsirairay mba hanao tsara kokoa hatrany. Nirosoana avy eo ny lalao iombonana, ka samy nandray anjara avokoa ireo mpiasa izay niisa 200 teo ho eo. Orinasa Malagasy manome asa sy manampy ny Malagasy ny « Groupe Vidy Varotra » ary miezaka hatrany ny hampiseho fa mahavita zavatra tsara sy afaka mifaninana tsara amin’ny firenena hafa ny Malagasy. Anisan’ny hahafantarana azy ny gazety Vidy Varotra, Jejoo, Job ary Tia Tanindrazana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.