Misy olana sahady ny milina mpamokatra herinaratra eny Antanandrano izay vao notokanana ny sabotsy 24 oktobra lasa teo. Tsy nisy nandeha ireo gropy goavam-be 52 omaly nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ka mandra-paharivan’ny andro satria tsy misy solika intsony.
766 950 000 Ariary isan’andro
Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy mety mamatsy solika intsony ireo kaompania rehetra misy eto amintsika satria tsy voaloa ny volan’izy ireo. Goavana dia goavana ny fandaniana satria 253 m³ na 253 000 litatra isan’andro ny gazoala ilain’ireo gropy 52. Mitentina 766 950 000 Ariary isan’andro izany ny vola tsy maintsy aloan’ny Jirama ividianana gazoala. Ny fifanarahana mampandeha ny milina sy mamokatra herinaratra ny AF Power eny Antanandrano dia ny Jirama no mamatsy sy mividy ny gazoala rehetra ilaina amin’ny fampihodinana ireo gropy 52. Tsy manana io vola be io anefa ny Jirama, ny fanjakana sahirana ara-bola ka io mikatso io sahady 3 andro aty aorian’ny nitokanana azy ny toeram-pamokarana herinaratra eny Antanandrano. Izay no nahatonga ny delestazy tena nahery vaika teto Antananarivo sy ny manodidina ny alarobia sy omaly alakamisy. Asa izay fahagagana hataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Hahita vola 23 miliara ariary mahery isam-bolana hividianana gazoala hampihodinana ny eny Antanandrano ve izy ireo ? Tsy maintsy gazoala mantsy no mampihodina ireo gropy eny.
Eritreritr’adala ?
Fampanantenana poakaty indray izany hatreto ilay delestazy foana eto Antananarivo sy ny manodidina, ary tsy hivaha ny olana raha tsy misy solika azo amin’ny vidiny mora na azo maimaimpoana. Tsy manam-bola mantsy ny Jirama sy ny fanjakana. Tsy vahaolana maharitra amin’ny famatsiana herinaratra eto amintsika mihitsy ny « central thermique » mampiasa solika tahaka ny eny Antanandrano. Ny mahagaga anefa dia mbola miditra amin’io ihany ny fanjakana. Tsy noeritreretina mihitsy ve ny nananganana toeram-pamokarana mampiasa ny herin’ny masoandro rehefa tsy maintsy handany vola be ihany ? Io apetraka indray mandeha dia vita fa tsy mila solika ana hetsiny litatra isan’andro. Hita taratra tamin’ity raharaha ity indray ny tsy fahamatoran’ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’ny fitantanana ny firenena sy famahana ireo olana goavana. Tsy fantatra intsony na tena tsy mahay marina ilay filoha na be loha na ratsy mpanolotsaina. Zavatra efa hita fa tsy mety izao ve dia mbola irosoana ihany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.