Actualités

Grevin’ny Polytech Nanao rodobe teny Ankatso ny mpianatr’i Vontovorona


  • Alakamisy 15 Jolay 2010

Nafampana indray teny Ankatso omaly maraina. Niakatra teny an-toerana ka nanidy ny vavahady lehibe fidirana ao amin’ny faritry ny oniversite mantsy ireo mpianatra avy eny Vontovorona.

Vao maraina dia efa nisy mpianatra niandry teo amin’ny Esplanade. Mbola niandry ny fahatongavan’ireo namany nandeha fiara avy eny Vontovorona izay nigadona teny an-toerana tokony ho tamin’ny 10 ora maraina izy ireo vao nanomboka ny hetsika. Noho ny fiombonan-kevitr’izy ireo amin’ireo mpampianany izay mitokona efa telo herinandro izao ka mbola hanohy izany mandra-pahazoany ny tambin-karamany andiany faharoa izay tsy mbola voaloan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy noho ny tahotry ny taona fotsy ateraky ny fiatoan’ny fampianarana eny Vontovorona no mahatonga azy ireo hihetsika, araka ny fanazavana .“Efa ampy izay telo herinandro tsy nianarana izay ka tsy naharaikitra koa ny fanadinana andrana izay tokony hotontosaina vokatry ny fitokonan’ireo mpampianatra. Tao anatin’izay fe-potoana izay anefa dia tsy nisy mihitsy ny vahaolana naroson’ny fitondram-panjakana ka rariny izahay raha mihetsika sao sanatria ho lasa taona fotsy ity taom-pianarana ity», hoy i Andriatsidikaina Pierre, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny polytechnique Vontovorona. Nilanja sorabaventy manamafy ny fitakiany moa ireo mpianatra nanao rodobe teny Ankatso izay mangataka koa ny hanomezana ny vatsimpianarana volana jona. Raha ny nambaran’i Andriatsidikaina ihany dia fitokonana fanairana no notontosaina omaly saingy hotohizana eny Vontovorona amin’ny fomba hafa izany raha tsy mbola milamina ny raharaha. Miisa 1800 eo ho eo ireo mpianatry ny polytechnique izay mizara amin’ny departemanta 11.

Any amin’ny fanjakana ny baolina
Raha nanontaniana ny hevitry ny tompon’andraikitry ny oniversiten’Antananarivo manoloana ity olana ity dia nanambara ny filoha lefitra fahatelo, i Harijaona Jean Jules fa ny fanjakana foibe no tomponandraikitra voalohany momba ny fiakian’ireo mpampianatra. «Mino anefa aho fa eo ampamahana ny olana ny fanjakana ankehitriny”. Marihina moa fa dia tsy mbola tonga eny am-pelatanan’ireo sekoly sy fakiolte ny vola fampandehanan-draharaha anjara amin’ity taona ity.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT